Ela loatra ka mampieritreritra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ela loatra hoy aho, ka mampieritreritra
Ka ny olona izao efa miesona mierotra
Mbola tsy hay amin’izany izay latsaka an-dalana
Noho ireo adidy sy andraikitra nampialangalana

Ela loatra hoy aho ka mahalasa saina
Tsy mazava ny tohiny fa mangina sy maina
Tsy hay tsy hay koa izay majika natao
Sy izay mbola afindrafindrao

Ela loatra hoy aho ka mampihomehy
Sady hita mihitsy ilay hoe tsy voafehy
Hitan’ny jamba ilay ambadika any
Fa mamofompofona ketrika izany

Ela loatra hoy aho ka “miaiky aho izay”
“Dia gaga ianao” hoe hiala any indray
Ilay sakorokoroka, lalao hatrizay
Dia ny vahoaka foana, no voa sady fay
--------
Rohy:
916 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033