FISAORANA (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisaorana feno sy mitafotafo
Tsy voavidy vola, nefa koa tsy lafo
No atolotra zaraina, ho antsika tsy ankanavaka
Misaotra mankatelina, tsy misy izay ahavaka

Misaotra ireo tarika, indrindra fa Ambondrona
Mbola nampiray ary nampivondrona
Ireo Namana rehetra, tonga niara-paly,
Misaotra re misaotra, tsara ilay omaly

Misaotra re Jobily, misaotra ry Famaky,
Fisaotra mitokana, betsaka vrack
Misaotra anao Ra-Sim ny ambiance nilay
Rehefa misy fety eo foana izahay

Misaotra koa ny Move, tamin’ny revy mahafinaritra
Tena hatramin’ny farany ny rehetra naharitra
Misaotra mankasitraka, ny Studio Diffusion
Tamin’ny rehetra ,izay rehetra Action

« Tsiky dia ampy »
--------
Rohy:
6208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 16/10/2009 23:00
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0611