FOLO JANOARY (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOLO JANOARY

Nanoratsoratra aho androany
Fa malahelohelo izany
Tsy haiko hoe naninona ary,
Hay ilay folo janoary

Efa firy taona izay
Nefa tsy mety adinonay
Ilay folo janoary
Andro nangidy, naharary

Tsy hotsiahiviko ny lasa
Na ireo fo voarasarasa
Fa mbola tsaroako anio
Izay nitranga tamin’io

Na ny teny an’hopitaly
Tena toy ny vao omaly
Ny fodiana tao an-trano
Tadidiko fa tsy angano

Ireo alina fiandrasana
Sy ilay hanatitra ho eny am-pasana
Ireo veloma sy omankomana
Raha nivoaka ny fiangonana

Izany rehetra rehetra izany
No indray hitako androany
Satria ilay folo janoary
Mbola ao anatiko ny sary

10 – 01 - 06
--------
Lien:
Catégorie : Fianakaviana - Fahafatesana - Alahelo
2099 1
Fans: scotlandyard
Commentaires
vetsoko ( 13/01/2006 14:10)
mampahery an'ise tsy hitanondrika satria mbola hisy hatrany ny folo janoary.
Iony ( 17/01/2006 11:38)
Fa iza r'ise no lasa t@io raha tsy mahadiso fa toa manitikitika ahy azafady? dé mahereza r'ise ary tsarovy fa mbola hihaona e!
raozigasy ( 17/01/2006 22:28)
10 - 01 - 1995

Lavo ilay andrarezina tao amin'ny fianakaviana

MATY

Rindrim-bato, tafo vato
eny hatramin'ny fandriana
vato sisa hatoriana

Lamba rotika,nofo potika
Ilay vatanao natanjaka
lasa taolana nihanjaka

Anaranao, fiainanao
nivalona tsikelikely
tantara ho an'ny zafikely

Izany sisa voatanisa
Kanefa resaka ihany
fomba firesaky ny tany

Fa aminay ny Dadanay
dia mbola velona ihany
ary mbola mihanihany

Ao an-trano, tsy angano
fa tsaroanay lalandava
isak'izay misoka-bava

Raha mivavaka, tsy voaavaka
fa mbola miaraka aminay
toa mbola velona indray

Ny tonon-kira raha mihira
dia ny kalony ihany
no ventesinay hatrany

Rehefa i Neny, tsy miteny
ary lasana ambiroa
dia indro zahay fa taitra koa

Ka tsiaro , mifangaro
alahelo, fahabangana
lavaka izay mangotana

no iainany sy isainany
f'efa lasa tsy hody intsony
ilay vady tao am-pony

ka izay, izahay
vao mba tonga saina indray
fa efa maty Dadanay
pissoa ( 09/02/2006 09:48)
Mahereza, dia mirary anao ho andrarezina toa azy!
Pissoa
pitoussy ( 16/01/2007 11:46)
10 janoary, 10 janoary, daty tsy ho adinoiko ihany koa :'(
sotsa @ le tononkalo, dia mahereza

"...fa aminay ny dadanay,dia mbola velona ihany.."
ledada ( 25/01/2007 06:33)
8 janoary, daty iray namaritra ny fiainanay ihany koa, roa taona lasa izay...d mbola mitambolona ts hayvonoina ireo fahatsiarovana isaky ny misy daty hafa hahatsiarovana azy:fitsingerenan'ny andro nahaterahany,fetin'ny reny...sns
raozigasy ( 29/01/2007 20:48)
Misaotra ny namana rehetra amin'ny fampaherezana e,

Izay ilay lalana sy lalàn'ny fiainana !!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0353