Namana (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anaty sasa-kalim-pahanginana ireryNo nifohazako indray, hikaroka ary koa hijery
Tao anaty solo-saina , sy tan-takelaka nizaha
Ireo zay endrika sy namana, mety hampifaly ny fanahy
Kanefa tamin’izay fotoana izay , tamin’iny alina iny,
No nifanenantsika koa , na samy olona vahiny
Dia tan-tsoratra niresaka, dia nitafa ka nitafa,
Nampiady karajia, tsy mba nisy nihafahafa
Dia nifankahazo am-po, tsy nisalasala intsony,
Namboraka tsiambaratelo, s’ireo vesatry ny fony
Nifampizara ireo takaitra, ireo fifaliana sy tantara
Hatramin’ny bitika indrindra, no nolazaina tsy voarara
Dia tsy nahatsiaro torimaso, fa teo koa no tra-maraina
Ary teo no nahatsapa, fa tena mamy koa ny miaina
Ka satry foana, hamoron-dresaka, hitazonana ilay namana
Ka tena ny fotoana mihitsy, no tiana hofikirina sy tanana
Kanjo indro ilay maraina, fa tonga koa nanarangarana
Ny hazavan’ny andro koa, nandroaka ilay aizina nifarana
Dia voatery isika hifandao, ka nifanome fotoana
Ka rahalina indray, an-tsoratra isika hihaona
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
Soarilala
(
03/05/2010 20:38)
Rehefa milentika iny tokoa ny masoandro matetika no tonga ny aingam-panahy an!
Tsara loatra
Tsara loatra
Soarilala
(
15/07/2010 06:14)
Ny namanao izay mifankahazo aminao sy akaiky anao tokoa no azonao amborahana izay ao am-ponao , hilazanao izay manahirana anao ary hizarànao ny hafalianao na dia an-tsoratra aza no hifandraisana!!!!