Ny lanitra no manga (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mikorisarisa mandrandrandrandran-teny
Misarisari-betso teny rehetra teny
Iny peniko iny

Manangonangon-tranga, havadika ho tantara
Mandrimarima kalo, hatao fambarambara
Iny tanako iny

Manonganonga ainga, manondrotra fanahy
Manandratrandratr’embona, mandrehitra tsiahy
Iny saiko iny

Mientanentan-doboka, mitosatosa-paly
Mibitabita-pihetsika, mampihintsana molaly
Iny foko iny

Fa misy inona hoy ianao ?
Sa misy vaovao ?
Tsy misy raha mitranga
… ny lanitra no manga
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1350 0
Commentaires
kiriah ( 04/12/2011 10:25)
tsy ratsy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332