Peratra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Peratra

Indreo ary fa tonga, ny mpitaky trosa
Lehilahy ranjanana, tsy mba osaosa
Sy tovovavy roa samy tsy ampy lamba
No nanao be fihavy tsy mba nihambahamba

Aiza ilay rabaina tsy mahazaka toaka
Mbola ato ve sa efa nivoaka
Ity ny palitaony mbola adino tany
Ny volanay koa mbola any aminy any

Milamina aloha ianareo, fa antsoiko dokotera
Dia atsy an’efitra atsy, miandrasa mitoera
Raha tsy izany avia, aty amin’ny birao
Fa ny efitra fiandrasana, efa feno olona ao

Elabe raneny a, izahay mbola maika hiasa
izany hoe mbola hiandry, tsy tafa sy tsy lasa
raha mbola dozy izy, izahay ngah maty antoka
ilay peratra mariazy no ataonay antoka

lazao izy rehefa velona, hoe atero hono
ny vidin’ny whisky sy ny tsaky izay natono
dia kadoa kely koa ho anay roavavy
raha tsy izany ny peratra vitanay matavy

ndao handeha ry kala, sao tsy mahita kil
rabaina izay ao, mbola tsy chargé ny pile
rehefa tsy ateriny ny antsika ny karama
ity peratra ity tonga dia any amin’ny karana

he .. akanjom-badiko iny, hoy ny tompom-bady
nikiaka sy nivaza toa oloo-mihantsy ady,
nanantona nivatra, sy ndeha hikitakita
iza hoy aho… ianareo , fa ataoko tena mahita …

ireo ary fa nijanona, iretsy teo am-baravarana
izay rehetra teo koa, tonga nangarangarana
nisy aza koa nanomboka ; naka sary tam-pinday
ity hoy ny maro vao sakoroka mahamay

dia iny dokotera, hoe taitra hoe rangahy
tonga avy any koa ilay zanaka lahy
nirava avy nianatra dia hamonjy an-drainy
ny zavatra mitranga, amin’io tsy misy hainy


© Raozigasy
--------
Rohy:
1712 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0252