Tongava hasina (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misosa sy mitobaka ny sitraka atoraka
Ny foko tojo izany, faly sy mihoraka
Ireo hafatra napetraka, tena mampahery
Ny mpanoratra no iray, fa ny sorany tsy irery

Mitombo isa hatrany, ireo mpamaky vaovao
Ireo efa teo moa, dia tsy mety lao
Mitaritari-namana, manapariaka an-jara
Sady manao “j’aime” izay tiany fa hoe tsara

Mihamaro koa, ireo manao “partage”
Tsy misy ava-taona, fa tena “tout age”
Ka tena vetivety, satria efa fitonjato
No isan’ny mpamaky ,nitombo be tato ho ato

Ka dia mamerin-tsaotra, manantitra ny sitraka
Ry mpaka fy rehetra, ts’isy avaka na silaka
Fa atao lanja marina, sy lamin-dranomasina
Misaotra re misaotra, dia tongava hasina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
898 0
Commentaires
nannie ( 31/07/2013 13:53)
Dia tena kanto. Ianao no isaorana e !
raozigasy ( 31/07/2013 16:52)
Misaotra anao ee
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033