Tratry ny taona 2020 (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tratry ny taona 2020

Ho anareo niarahaba ahy tratry ny taona
Ity soratra kely anaty vazom-boana
Ilay dika mitovy na "copier coller"
Ilay "gif" sy "sticker" bobakabe
Angamba valiako indray faobe
Fa betsaka loatra anaty Mp

Ho anareo nandefa sary kosa indray
Sy ireo tsy mbola hitako hatramin izay
Ireo namako indray mandeha isan- taona
Kanefa niarahaba ahy tratry ny taona
Dia tsotra ny teniko hoy aho hoe.
Arahaba tratry ny "Bonne année"

Ireo rehetra tena nanoratra fa nahatsiaro
Hanoratako miavaka tsy hifangaro
Mirary ny Soa e sy fahasalamana
Na an-tany lavitra na an-tanana
Tsy hanavahana havana na akamakama
Fa tsofina rano iray damizana

Vita ny adidiko raha izay no izy
Na tamin ny lehibe io na tamin ny ankizy
Soava tsara amin ity taona ity
Dia vita koa izay ny fety sy dihy
Fa rahampitso dia hiatrika ny andavanandro
Dia ny nofy aoka izay fa mandehana mandro

© Raozigasy 01/01/2020
--------
Rohy:
1561 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 04/01/2020 08:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259