VADIKO A TIAKO IANAO (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vadiko a “tiako ianao “Izay ilay teniko,henonao
Raha vao misokatra ny vavako
Satria tiako ianao rahavako
Vadiko a, “tiako ianao”
Izay koa ilay voambolanao
Fataonao ambentin-teny
Rehefa amiko ianao miteny
Vadiko a, “tiako ianao,”
Izay ilay teniko sy ianao
Tenintsika roa mitambatra
Iombonam-peo tsy miambatra
Koa amin’izato andro androany
Mbola io teny io ihany
No ventesiko averiko
“Tiako ianao” anteriteriko
Ka na mandroso izany taona
Na isika roa tsy mihaona
N’aiza n’aiza misy antsika
Ny fitiavako tsy hipika
Fa efa natokako ho anao
Lamban’akoho izaho sy ianao
Hatramin’ny fara-fofon’aiko
Ny fitiavanao no ilaiko
Ka ireo androko tavela
Na ho fohy, na ho ela
Dia efa anao daholo
R’ilay tiako manontolo
Vadiko a “ tiako ianao”
Izay no teniko aminao
Amin’ity tsingerin-taona
“Tiako ianao” foana foana
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
tiarah
(
05/08/2010 05:27)
Izany tokoa rehefa tafaray ny tia sy ny tiana
Miara dia hatrany , miara mihary izay iriana
Miara dia hatrany , miara mihary izay iriana