LASA ILAY MAHERY FO (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto anio no hoborahiko
Ny vetsovetson’ny fanahiko
Vonton’alahelo loatra
Noho ny sangy tafahoatra

Tena adin’ny kanosa :
Ady am-pitaka
No mampiboha ireo fahavalonao!!
Tsy mba veliranon’olona malama sady fetsy
Nivolambolana hoe “na ho vy na ho vato”,
Kanjo re ka hay : hatretsy!!
Ny anao Ratsimandrava,
Tena tenin-dehilahy : “Tsy hiamboho adidy aho”
Ny ainao tokoa no fetra!

Ilay Ratsimandrava kely
Zary ny “Matoan’ny Nosy”
Maritioran’ny fitiavan-tanindrazana
Tsy kôlônely velively fa “Marosalim-pahafahana”
Rano ihany ny tomany ka mirotsaka tsy tana
Nofo ihany koa ny fo ka mangoraka sy toro
Fa ny saina, ny sain’ny tena lehilahy
Dia mitraka sy midera
Ny herim-po nanananao
Nentinao an-kasahiana
Hanala ny olana rehetra
Mamatotra ny firenena

Maimbo ra ireo mpamono
Tompon-tany sy vahiny…
Nilofosany aoka izany
Nifanambazany mihitsy
Ny handatsaka aina anao
Lasa ianao! Lasa ianao Ilay mahery Fo!

Tsy mba hafa firenena fahavalo hita vatana
No nandatsaka aina anao
Fa mpiray ra izao!
Voninahitra toy inona izato vonton-dran’ny rahalahy
Hahavita taona firy ny tambin’aina norambesina
Ry sakelimihoajoro, ô ry saonjo mihoatra akondro
Matoria am-piadanana an-trotron’ny tanindrazana
Ny fanilom-panarenana ‘zay nirehitra tetoana
Tsy ho fatin’ny tsioky ny tsy tia sy ny fotoana
Ao ‘reo zandry zanakao, eny, zoky koa aza
Hamelona sy hanandratra azy
Harahin’ity Firenena!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Ambohimandroso, 14 febroary 1975 (10 ora alina)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
2562 0
Hevitra mandeha
naritsimba ( 25/03/2011 04:45)
Navoaka ho fahatsiarovana ny faha-80 taonan'ny nahaterahan'ny Kôlônely RATSIMANDRAVA Richard (21 martsa 1931 - 21 martsa 2011)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154