Haody ry embona matoritory (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Haody ry embona matoritory!
Nankaiza nankaiza toa tsy tazako intsony.
Irony fotoana nahatsapana fa ory,
Nisinda nalaky, nangina sy tony.

Ry embona mainty sakaizan'ny alina,
Nandalovako teo tsy nitsetra akory,
Hoe feno ny fo, kivy sy fanina,
Lasa aiza izy androany, sa tena matory?

Fa embona sisa no mandalo eto,
Mby ato an-tsaina ireo lalana hita.
Ranomasoko ity nivadika sento,
Mahatsiarotsiaro ireo ady efa vita.

Embona tonga misavasava!
Mampahatsiaro ny saiko efa zatra.
Hoe raha vita ny alina dia hisy mazava,
Hanasitrana fery sy hanolatra ratra.

Izay embona izay no mamangy sisa,
Hanamboarako saina amin'ny androaniko,
Ka ireo fandresena tsy voatanisanisa,
No handrefesako indray ny ady homaniko.

Ka ho embona koa ny handalo any aoriana,
Sembatsembanin'ny sento sy tsiahy.
Ka ireo ady mavesatra mbola hiadiana,
Dia tsy maintsy handresena tsy misy ahiahy.

Andrianitsiahy Herizo, 17 janoary 2026
--------
Lien:
59 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125