AOKA HIVALONA (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA HIVALONADia lasana any lahy ianao
Nandao ahy tsotra izao
Nefa toy ny eto hatrany
Ny momba anao milaza izany:
Ny feonao manako am-poko
Ny ato anatiko mihoko
Dia toa manambara foana
Fa ilay teo mandra-pihaona
Tsy misy miova ny tontolo
Fa ianao no te hanolo
Izaho mbola ilay taloha
Mirakitra fitia am-po
Nifankatia tokoa isika
Fa ankehitriny mangatsiaka
Nefa mbola mitohy ny fiainana
Ka tsy ilàna fitarainana…
Ny vovoka atera-kintana
No mamaritra ny vintana
Koa aoka hivalona amin’izay
Ny fitiavantsika fahizay
RFE Andria – 22/06/14
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Fitiavana