ARY IANAO? (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARY IANAO?

Eny, fantatro fa maro ireo handihy fa tsy hitomany
rehefa higadona ilay ora ka handaozako ny tany
Hitoto rebika izy ireny, handatsa hoe: sakoa 'zay!
ary dia hisaotra ny Andriamaniny, Ilay Ray

Fomban-javatra izany, sady izaho koa tsy anjely
koa misy, eny maro, ireo tsy tia ahy velively
tsy atao dia hahagaga. Fa ianao no hanao akory
raha tonga ny fotoana ka ao amin'ny vovoka aho no hatory?

RFE Andria - 02/05/2016
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
1048 0
Commentaires
izy26 ( 02/05/2016 11:00)
tsara e
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : arofanina
Date : 01/05/2016 23:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015