FONENAN'NY TSY MISY (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FONENAN’NY TSY MISYTsy ho ela aho dia ho tonga
Any ambadik’iry bonga
Ka hilaozako ny etoana
Tanàna feno fisentoana
F’ity vohitra hombako
Tsy misy feo iray manako
Tsy misy fijaliana intsony
Tanàna tony dia tony
Fonenan’ireo efa lasa
Fonenan’ireo tsy miasa
Fonenana tsy misy intsony
Na fitia na lonilony
Tsiky Arofanina – 03/12/2015
--------
Lien:
Catégorie :
Fahafatesana