HANINA AN'I GASIKARA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANINA AN'I GASIKARA

Rehefa iny fa miposaka ny masoandro eny atsinanana
dia lasalasa koa ny vetso mahatsiaro ireo namana
te hiaraka hianoka, higoka tosatosa-pifaliana
Indrisy mantsy re 'zareo! mafy izany lavi-tiana...!

Rehefa iny manirery eny an-dàla-maha ana
dia io ihany koa manembonembona tsy tana
Any mantsy izay ilay Gasikarako malala
ny fo, ny saina sy fanahiko any aminao tsy afa-miala

Gasikara ô! tsy mba foiko! misy ireo havan-tiana
am-pitan-dranomasina aho f'ianao ankamamiana
Mahamanina halavirina ianao ry Gasikarako
horaketiko ato anaty fa tompon'ny tantarako...

RFE Andria - 05/09/2016
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - embona - Tanindrazana
767 1
Fans: famoha
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : arofanina
Date : 06/09/2016 09:34
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016