HOZAKAIKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOZAKAIKO

Hozakaiko fa vokatry ny ditrako
Hozakaiko na tena tsy sitrako
Soa aho kenda hahay mitsako
Hahay mamindra rehefa voalĂ ko

Hozakaiko na mila tsy ho tanty
Ny latsalatsan'ireo manabanty
Nataoko ka dia hozakaiko
Na efa toa tsy eran'ny aiko

Hozakaiko raha toa ka izany
Ny saziko dieny eto an-tany
Hozakaiko ny ahy re ray olona
Hozakaiko fa izay ny tolona

RFE Andria - 06/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1011 1
Mpakafy: Rah Wence's
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 06/07/2016 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0536