ILAY VONIN-DRAOZY (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY VONIN-DRAOZY

Vonin-draozy kanto iray tao anivon-jaridaina
no nambabo izato foko, nahasarika ny saina
Lasany any ny fitiavako, nomeko azy manontolo
noho ny hatsaran-tarehiny, loko meva tokam-bolo

Endrey! izato fofo-maniny fa manentoento ery
mipariaka entin-drivotra ilay hanitra fitia!
Fanina aho, tena doroka, nefa mbola te himamo
Ilay hanitrao manintona, toa manasa hoe: andramo!

Alaim-panahy aho izao hanatsotra ito tanako
ka hioty anao ho ahy, hanaingoako ny tananako
Nefa,
aoka ihany amin'izao hoy ny feon'ny fahendrena
ny fitangosako anao zary fitiavan-tena

RFE Andria - 18/04/2016
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1078 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : arofanina
Date : 18/04/2016 13:03
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152