INAY ANIE AHO… Inay an (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INAY ANIE AHO…Inay anie aho mba tsio-drivotra malefaka
dia ny laingon-tavanao no ho nosafoiko
ary ho nitsofohako eny an-tsefatsefaky
ny fitafianao, manitra amboloiko
Inay anie aho mba railovy tsara feo
dia ho nohiraiko ny hira soa milanto
handrotsiako anao tsy mba ho leo
fa hampanonofy nofy tena kanto
Inay anie aho mba erikerika nifafy
namelombelona aina nanala hafanana
nampahatsiaro anao toy ny any an-dafy
izay nonenanao sy tena nahatamana
RFE Andria – 25/03/2016
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana