IZA(HO) NO DISO ? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA(HO) NO DISO ?

Na sakako na sakan’olona rehefa vandana, kary
Na fonao na fon’ny hafa raha tsongoina, maharary
Tsy hoe raha ianao no mihira, railovy tsara feo
Fa raha ny hafa, vorondolo mikalo ny hiranao teo
Ianao izao no lazaina fa zatra ny lalan-dririnina
Latsaka anaty fota-pahavaratra ianao ka laginina
Totohondry zatra nivonkina tsy afa-nitsotra intsony
Voa vao midradradradra manampatra ny lonilony
Tsarovy anefa fa ny atao ihany no he mitampody
Ny miova filamatra izao dia izao no hany fanafody
Ny heloka ibabohana anie zareo ka mody rariny
Isintaho dieny izao ireo namana toa varimbariny
Izay miaraka amin’ny amboahaolo dia amboahaolo
Efa hatry ny ela no fantatra izany hoy ny Ntaolo
Ka rehefa midona sy rafitra ny ady: iza no diso?
Izay mitady hamarina ny firenena amin’ny risoriso
Raha ny hevitro dieny anio tsy miandry ampitso
Tsy aleo mibebaka dia mibaboka: izaho no diso!

RFE Andria – 10/06/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Politika - Tanindrazana
1012 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 10/06/2015 15:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255