JOYEUX ANNIVERSAIRE (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JOYEUX ANNIVERSAIRE!

Vita sikotra ato anaty
Tsy ho voakoso-mandra-maty
Ny daty nahaterahanao
Hatramin’ny nahalalako anao
Andro iray irariako
Isambaranao ry tiako
Ho ampoky ny hafaliana
Hiainanao taona zina
Ka homarihiko anio
Ny fanomezana, fidio:
-Oroka mitafotafo
Sy fihina ary safosafo
-Sa kosa mofo mamy
Sy sakafo tsy ho lany?
Aza ianao misalasala
Fa hotoaviko malala
Dia hoy aho miserasera:
“Joyeux anniversaire!”

Tsiky Arofanina - 25/10/2015
--------
Lien:
Catégorie : Tsingerin-taona
8077 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 25/10/2015 04:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185