MAHANTRA IANAO RY FIRENEKO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANTRA IANAO RY FIRENEKO
(nisy nandoro ny Rovan’Ambohidratrimo)

Indrisy ho’aho ry Fireneko !
Manan-karena ianao, ekeko
Ny harena ambanin’ny tany
Ny any an-dranomasina any
Zavamaniry sarobidy
Toerana izay be mpifidy
Biby ts’isy afa-tsy eto
Zava-manitra manento
Sy ny sisa, sy ny sisa
Izay tsy ary ho voatanisa…
Fa, mahantra toe-tsaina
Ny mponinao mampitaraina
Tsy manaja izay hasina
Itsahiny ka mitsinkasina…

Indrisy ho’aho ry Fireneko !
Manan-karena ianao, ekeko
Fa, mahantra toe-tsaina
Ny mponinao mampitaraina!
Ka migogo ny tomaniko
Fa simba, rava ianao ry taniko…

RFE Andria – 27/08/2015
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
481 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 27/08/2015 10:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148