MANIMANINA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIMANINA

Taitra maraina alina koa
Fa any aminao ny fisainan'ny fo
Mitazana eto am-baravarankely
Iry diavolana mamelovelo
Ny tarany fotsy anatin'ny alina
Dia mainka koa mahamanina lalina
Any mantsy ianao, izaho aty
Samy manirery na mifankatia...
Feno fitiavana anao izany foko
Tsy mahita tory ka indro misoko
Tsy tana intsony fa manimanina
Ny soratro avy no toa valalanina...
Tsy mahita tory aho ka dia niarina
Ny nofy mifoha no 'ndeha hitarina...

RFE Andria - 03/05/2015
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - embona - Fitiavana
962 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 03/05/2015 01:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152