MIVOAKA MPAMOSAVY (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVOAKA MPAMOSAVY

Mipaika ity ny ora
« mivoaka mpamosavy »*
f’izaho ity goragora
lanahim-po manavy…

Toa tsy hahita tory
na resy aza ny nofo
valiany boribory:
ny ady tora-jofo…

Apetrako eo Aminao
ry Raiko any ambony
izao alina izao
mba ho alin-tory tony…

Toneo ny fo sy saiko
ny nofoko ihany koa
f’Ianao re ry Raiko
Tompo mpanasoa!!!

RFE Andria – 19/10/2015

*mivoaka mpamosavy = amin’ny 10 ora alina
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - fiainana
998 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 19/10/2015 18:56
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153