NY FAHASALAMANA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHASALAMANA

Mafy ny fiainana raha mbola eto an-tany
Nefa na izany, ny miaina mamy hatrany
Ny fahasalamana, tandrovy sy hajao
Fa voalohan-karena izay nomena anao

Ataovy loha-laharana mason'andro anio
Ny fikajiana azy: fanimbana dia fadio
Mba tsy hanenenana raha tonga ny ampitso
Izay hahatafidirana amin-dalana toa kitso

Ny fahasalamana sy ny aina, sarobidy
Koa samia mitandrina, mahaiza misafidy
Ny marary mantsy, voadona tonga saina
Efa tsy afa-manoatra ka sisa mitaraina

RFE Andria - 08/04/2016
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1410 1
Fans: delmote
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 08/04/2016 05:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152