NY FIAINAKO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIAINAKO

Ny fiainako?
mahalasa ny fisainako
izato lalana izorany
sy ny loko isalorany

Ny fiainako?
tsy misy tokony hitarainako
nefa koa toa tsy sambatra
mbola mampihambatrambatra

Ny fiainako?
tsy zoto na koa fahalainako
toa vony tsisy fofony
mamovoka ny tora-jofony

Ny fiainako???
Ny fiainako!!!
Ny fiainako...

RFE Andria - 21/03/2016 misasakalina
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1293 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 22/03/2016 12:17
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153