NY FIAINANA ETO... (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIAINANA ETO...

Maina ny ahitra, ny voniny malazo
Toy ny fiainana eto: mampihazohazo
Mihodina, mihodina dia mikodia
Lasa ambony ambany ny fiainana ety
Androany mampifaly, vony iray mamelana
Ny ampitso mampijaly irony elanelana
Ny fiainana eto, mahavaka saina
Dimbiasan’ali-mainty hatrany ny maraina
Koa ny fahendrena raha te ho tony:
Mivavaha hatrany amin’ny ao ambony

RFE Andria – 31/01/2016
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
978 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 31/01/2016 14:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154