NY MAHATSARA AHY (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MAHATSARA AHY

Ny eo akaikinao, Jehovah ô ! no mahatsara ahy
Eo no hany mampitony ny sentom-poko sy ahiahy
Eo ihany koa ny olana sy izay rehetra mampahory
No manjary toa maivana sy tsy henoko akory
Eo ny alaheloko rehetra, ranomaso sy tomaniko
No zary lasa foana, soloinao fotoana mamiko
Eo aho no miantoraka rehefa ilay manirery
Eo hatrany aho no manovo toky vaovao sy hery
Ny eo akaikinao, Jehovah ô ! no mahatsara ahy
Eo ihany no ianinan’ny foko, saiko sy fanahy

RFE Andria – 09/01/2016
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana - Vavaka - fiainana
1111 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 09/01/2016 09:01
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163