SAROPIARO (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAROPIARO

Saropiaro ny aminao aho ry tenindrazako, ry teniko
ka izao dia tsy afeniko
ny fanapahan-kevitro anio rehefa nolanjaiko tsara
ny amin’ireo mamarara
dia ireo minia manimbazimba ny haja sy ny hasinao
ka manao ny tsy fanao
fa mampiasa ireo litera tsy ao anatin’ny abidia
hoe mampiangola fitia…
Ka izao no hataoko aminy manomboka ny alatsinainy –
ho voarakitra ao an-tsainy - :
“Hoesoriko ny anarany tsy ho mpikambana eto intsony
fa tena mahalonilony;
hofafako ihany koa ireo asasoratra feno teny bory rambo
fa loza aman’atambo”

Miala tsiny aminareo aho ry sakaizako sy namako
fa ny teny izay fananako
no maha saropiaro ahy ka asandratro sy arovako
fa io no hany lovako
Mety hoe henjana ny sazy na hoe koa mahamay
fa raha tsy izay tsy fay…

RFE Andria – 03/10/2015
--------
Lien:
Catégorie : Tenindrazana
1957 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 03/10/2015 13:15
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166