TONGA DIA TIA (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA DIA TIA…Ny fijerinao sy ny ahy
Ilay sendra nifanena, tsy ho haiko adinoina
Fa mipetraka ho tsiahy
Mamelovelo hatrany anaty ka sarotra soloina
Ny feonao toa mihira
Nandona ny ati-foko, satry ihany hohenoina
Feo toa namiravira
Ka tsy haiko ny hangina, tsy hiteny, tsy hanoina
Ilay tsikinao miavaka
Tsy tiako atakalo ny an’ny volana baliaka
Ny endrikao voaravaka
Mamiratra manoatra ny masoandro misariaka
Izato bikanao kanto
Tsy voasahalan’iza n’iza fa tena soa indrindra
Ny fanahiko nandranto
Tena lasa babonao ka mitia tsy mety afindra
Ny aminao rehetra
Toa laniko tsianjery; ka na izaho koa aza akia
Tsy mahatsanga-mitoetra
Fa niandry sy namaly, nandre ny antsonao dia tia
RFE Andria – 19/06/14
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana