TONOM-BAVAKA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONOM-BAVAKA

Andriamanitra ô!
Mamelà ahy fa hiteny kely aho.
Tsy hoe hirehareha na koa hizahozaho,
Fa hangata-pitahiana ho an’ireo izay mijaly
Mba hivadika ny rasa ka ireo indray no hifaly.

Andriamanitra ô!
Mba itodihonao ireo mpitondra tena,
Sao solafaka na potraka, na koa hivembena.
Omeo azy be dia be izany fiadananao soa,
Ka tsy ho irery izy ireny fa Ianao no ho faharoa.

Andriamanitra ô!
Ireo kamboty koa mba aza adinoina;
Raha miantso izy ireo, aoka Ianao hanoina,
Mba omeo fiadanana ary koa fifaliana,
F’efa ela loatra no nahitany fahoriana.

Andriamanitra ô!
Efa hifarana ny teniko, ka ho an’ireo marary
No italahoako Aminao ry Andriananahary:
Fahasitranana tanteraka, mba omeo re ry Tompo
Mba hitsahatra ny sentony ary koa ny toloko.

Andriamanitra ô!
Mino aho, matoky, ary koa manantena
F’ireo rehetra ireo tsy havelanao hosihosena,
Ka manomboka hatrizao, tsy hisy mahonena,
Satria Ianao no aminy ry Tompo Fandresena.

RFE Andria
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1445 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 12/02/2015 04:28
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119