TSARAFARA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARAFARA
(Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy. 1 Korintiana 2 : 9)

Anjakan’ny faharatsiana ny fiainana eto an-tany
Aretina sy fijaliana, fahoriana sy tomany
Rahon’ady mitatao, fahantrana, ranomaso
Tsy mandry fahalemana somparan’ny ankaso

Soa anefa fa tsy izany no hiafaran’ilay tantara
Fa Ianao efa nanomana ilay tanàna “Tsarafara”
Tanàna soa sy tena kanto ilay atao hoe Paradisa
Tsy mbola nisy nahasaina na hoe koa namisavisa

Tsy hisy ao ny ranomaso, hofafan’Ilay Tsitoha
Ny fahafatesana ho foana toy ireo zavatra taloha
Fifaliana, fahasambarana no hany sisa hianohana
Riaka kanton’ny fitiavana no ho rano izay gohina

Tsy hisy intsony fahantrana, ny arabe volamena
Ny vavahady vatosoa, tsy hisy intsony mahonena
Hirahira, kalokalo, fihobiana, fiderana
Izany no isan’androm-piainana izay tena mahatamana

RFE Andria – 01/10/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - fiainana
919 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 01/10/2016 10:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119