TSAROAKO... (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROAKO…

Andro paka toy izao
No narindriko aminao
Ny varavaran’ny fitia
Ary izany ve? Satria
Ny anao lasan’olon-kafa
Izay nahay nitafatafa
Tanaty haizina ny foko
No niery, nitakoko
Tsy nahatraka fa nanjoko
Tsaroako, eny tsaroako…

Soa aho lavo tamin’iny
Ary tsy mba hanome tsiny
Fa kosa hahay hamindra
Amim-piainana mirindra
Ka ny taola-mahakenda
Na dia mampilendalenda
Avy hatrany dia aloa
Izay ilay lesona taloha

RFE Andria – 28/03/2016
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - fiainana
1077 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : arofanina
Date : 28/03/2016 11:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015