Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY MISY LOHATENY (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY LOHATENYMangingina izy izany!
Lasalasa vinany
Sa manimanina ny any
No toa tsy reren-tany?
Izaho kosa andeha hatory
Hitondra an-nofy ny fitiavako
Mitia irery aho ka oriory
Kotsan-drano izato tavako…
Ianao kosa mahereza
Fa ny fitiavanao dia ngeza
Mahasambatra satria
Ianareo dia SAMY TIA !
Ka hoy aho mitso-drano :
Ilay tia anao dia tano
Fa sarotsarotra ny mila
Fa be ireo mamilafila…
RFE Andria – 02/08/14
--------
Lien:
