VAVAKA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA

Ankiniko Aminao izao, O ! ry Tompo tsy mandao
Ity andro anio ity, ny asa rehetra izay hatao
Indro apetrako eo Aminao izay rehetra fikasana
Mba omeo fahendrena, indrindra koa fahasalamana
Hery, tanjaka ara-batana, fanahy, fo sy saina tony
Omban’ny herinao Tsitoha, dia ilay hery avy any ambony
Mamelà ny helokay , ny fahotana efa vita
Na ny miafina izany, na izay rehetra hita
Ny fisainana rehetra tsy araka ny sitrakao
O! mamelà ry Ray, fa ifonako, avelao
Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy
Esory koa tsy ho aminay ny tebiteby sy ahiahy
Ka ny fiainanay anio, androtsahy ny fitahiana
Tsy ho saraka Anao, ho tena fiainam-pifaliana
Dia misaotra Ray satria Ianao dia hanao tokoa
Izay hahasambatra anay, dia izay tena hahasoa
Amen!

RFE Andria – 19/06/14
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1326 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 11/02/2015 16:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171