VONINKAZO AO AN-JARIDAINA (RFE Andria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO AO AN-JARIDAINATano ny azo fa sarotra ny mila
Ny vony any an-tsaha toa mamilafila
Ny efa ananana : koloy, hatsarao
Fa ny an’ny hafa tsy homeny anao
Aza dia atao toa valalan’amboa
K’ianao tompony tsy tia azy koa
Io raha jeren’ny vahiny any ivelany :
Soa sy kanto ery ny famelany
Na inona karazan’ilay voninkazo
Tondrahy isan’andro izy dia tsy halazo
Karakarao amin’ny fon’ny fitia
Dia hanentoento tena manitra ery !
Ataoko fa takatrao ny tiako lazaina :
Ny vady no vony ao an-jaridaina
Ny fanambadiana atao lamban’akoho
Aoka tsy hahahaka eny ambony tamboho…
RFE Andria – 12/04/2015
--------
Lien:
Commentaires
narasoa
(
19/04/2015 04:23)
tsara le izy namana! fa mino za fa ts vady ihan! fa eo koa ny talenta, ny maha malagasy