MAMPITRAKA AHY IANAO ("You raise me up") (Ryana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMPITRAKA AHY IANAORehefa trotraka ny tenako, ny fanahy madisadisa;
Olona maro tsy voafehiko, ny foko mavesatry ny kisa;
Dia aleoko aloha mimaona, miandry anaty fahanginako,
Mandra-pihavinao etoana, hitoetra vetivety anilako…
Mampitraka ahy ianao, k’izaho hijoro, tsy hiraika,
Mampitraka ahy ianao, hitety onja be tsy laitra,
Mahery sy matanjaka aho rehefa eo an-tratranao,
Miha-kanto, toa fanamperana aho rehefa mitraka… areninao!
Ryana
22/06/08
(Nadika avy tamin’ny “ You raise me up”, Josh Groban)
--------
Lien:
Catégorie :
Fifaliana - Fanantenana
Commentaires
Sohitika
(
24/06/2008 10:13)
Tiako be io hira io, mahafinaritra ny aingam-panahinao.Misaotra.
Ryana
(
25/06/2008 06:49)
Izaho koa mankafy io hira io ry Sohitika. Misaotra anao nitsidika!
Ryana
Ryana