Heritaona tahaka izao (Ted Raz)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Heritaona tahak'izao...

Heritaona tahak'izao,
Mbola tia ahy ianao
Mbola nisy isika
Niara-paly sy nitsiky
Mbola nisy paradisa
Fa ny anio... indrisy

Asa raha tsaroanao fa...
Ny andro no misosa
Ny volana no miova
Fa ny ao ampoko kosa
Mijaly mitomany
Fa toy ny vao omaly
Iny fisarahana iny

Nofeheziko ny saiko
Tsy hisaina anao intsony
Noferako ny foko
Tsy handray anao ho tiany
Fa saingy zava-poana
Ireo tsy hety hangina
Fa midongy anao hiverina

Heritaona tahak'izao,
Mbola tia ahy ianao
Mbola maminao ny hirako
Ny hafanana teto anilako
Mbola ianao niantsa,
Ilay kalo tiako indrindra
Fitia tsy mety hafindra

Miondrika aho toloko
Mivavaka aho tomany
Raha azo atao ry Tompo
Havereno eto androany
Eny re raha sitrakao
Ilay heritaona tahak'izao

Na ho androany fotsiny azaaeritaona tahak'izao...

Heritaona tahak'izao,
Mbola tia ahy ianao
Mbola nisy isika
Niara-paly sy nitsiky
Mbola nisy paradisa
Fa ny anio... indrisy

Asa raha tsaroanao fa...
Ny andro no misosa
Ny volana no miova
Fa ny ao ampoko kosa
Mijaly mitomany
Fa toy ny vao omaly
Iny fisarahana iny

Nofeheziko ny saiko
Tsy hisaina anao intsony
Noferako ny foko
Tsy handray anao ho tiany
Fa saingy zava-poana
Ireo tsy hety hangina
Fa midongy anao hiverina

Heritaona tahak'izao,
Mbola tia ahy ianao
Mbola maminao ny hirako
Ny hafanana teto anilako
Mbola ianao niantsa,
Ilay kalo tiako indrindra
Fitia tsy mety hafindra

Miondrika aho toloko
Mivavaka aho tomany
Raha azo atao ry Tompo
Havereno eto androany
Eny re raha sitrakao
Ilay heritaona tahak'izao

Na ho androany fotsiny aza
--------
Lien:
271 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142