Rariny (tody) (Ted Raz)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rary (-ny) todyFanala no nitsena ny fotsika niray tamin'ny alim-pahavaratra
Nihoatra ny ankaratra ny avon'ny ilay tendro nihanihatsika
Endrikao mitsiky no nasehon'ny fitaratra
Tsy fantatro izay sazy
Kanefa masoko tomany no mibanjina azy
Voazaran-tsato-by tsy azoko hihoarana ny fefy nanoloana
Dia sento fahazarana no setrin'ny ilay sary natsikafon'ny fotoana
Hay isika tato foana,
Hay ianao tsy lasa akory ilay nilaza ny handao tsy hipody intsony intsony
Fa niery tao ambadik'ilay tody izay natsoina
Kilemaina mihazona'elo tsy misy hitehenana manivatsiva ny alina
Zaza mitomany nilaozan'ny mpitantana tsy mahalala ny marina
Toa fiainana namboarina
Toa hosodoko tsara nosimbain'ny orana teo ampamaranana
Indreto isika anefa minia miray laharana, nefa oe nisampana ny lalana?
Tsy sarotra zohina ny lalanao nialoha nidify tany ho any
Ho vitako ora roa na ora iray akory aza raha ho ataoko izany
Kanefa tsy ho androany...
Aleo aloha hitsiry ny voa nafafinao nasolonao ilay voniko
Aleo ianao hatsapa ny fahabangan'ny hery tanaty nositomiko
Aleo ianao ho voadona e!
... Dia ho hainao ny mifona
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Embona - Fahatsiarovana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana