Soratra ho anao (Ted Raz)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka ny Hanoratra aho (hisaintsaina anao)Na sento lalina impiry aza izay no nialoha lalana
Mifangaro loatra mantsy ny ao anatiko ao
Ka sarotra amin'ny foko ny hahay ny tena marina
"Ho anao" sa "ilay tiako"? sa "Nofy ratsy niaina"?
Sao ny saiko samirery no niaina fanaperana
Sa ataoko hoe ilay "andro ratsin'ny maraina(ko)
Ahoana no hanombohako ilay "nofiko niserana"?
Dia ho tantaraiko ve? Ny fahasambaran-tsika
Ny fiadanam-poko rehefa tantananao?
Sa ataoko hoe toy ny Edena ilay sary paradisa
Fa nisy menarana tafiditra kay tao?
Dia ho hafeniko ary sa ho soritako amin'ny penina
Ireny voady sy kisary niarahana nandoko?
Takomako "efa sitrana" sa tsoriko oe manenina aho
Nandray anao ho anjely hitarika ny foko?
Kanefa hitantara ihany aho dia ny tsara no ho lazaiko
Fa mamy tena mamy izay natolotrao
Eny mandrak'androany, tsara pirina ao antsaiko
Ny tohon'ny tantely avy eny imolotrao
Eny e, ny mangidy misy mamy hono efa lalam-piainana
Fa ny mamy lasa ngidy no tamin-tsika roa
Dia ataoko hoe tsisy ratra fa nisy fanaintaina
Satria tsy ho hitanao... ilay ratrako ao ampo
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Fiainana
