Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tia ahy hono izy (Ted Raz)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia ahy hono izy... Kanefa tsy ninoakoNa tsinjo amin'ny masony ny fony tsisy lainga
Be loatra mantsy ny antsy mitsatoka amin'ny foko
Dia lasa natahorako ny teny tsisy faingo.
Tia ahy hono izy... Kanefa mampanahy
Fa toa fitiavan-tena no hitako lazainy
Tiany hasambatra azy izay rehetra ahy
Dia nisy fanahiana aho amin'izay mety ao antsainy
Tia ahy hono izy... Mitovy ny efa lasa
Notiaviany ihany fa tsy tonga tamin'ny farany
Dia tiany raha izaho no hitsabo izay maratra
Hifaly ny fisiako misoratra ny anarany
Tia ahy hono izy... Kanefa tiako koa
Izaho no voalohany namboraka fitia
Dia na izaho na izy, samy tia izahay roa
Kanefa na tia aho, dia raha ho... sanatria?
Hitovy ny taloha?
--------
Lien:
