Tolona (Tsiky dia ampy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolona ao anatyNo hany sisa adiko
Nilaozan'ny safidy.
Tolo-mandra-maty
No lalana hodiaviko
Ao anatin'ny mangidy
Tolom-pihafiana
Hanaiky ny ho irery
Ho tokana doria
Tolon'ny tsy tiana
Zara manan-kery
Hahafahana mitia
Tolon'ny mahantra
Tsy mba manam-bola
Hambaboana sento
Tolon'ny tsy zatra
Menatra hidola
Na mba manam-betso
Tolon'ny malemy
Resy tsy miady
Mataho-maso-mena
Tolon-tsy aki-teny
Fa sasatra sahady
Tolona ekena.
Izany no mba toulko
tolona tsy zaka.
1/10/97
--------
Lien:
Fans:
SamMakavela
Commentaires
hery
(
01/10/2003 09:50)
Anisan'ny tononkalo nosoratana taorian'ny fiolahana. 😊
lanto
(
05/10/2003 08:56)
Dia nisy koa ve sampanana ? (...) Tsiky dia ampy !
rfanjav
(
14/10/2003 15:41)
Fa nahoana kosa,
efa safidy angamba ny anao,
fa raha tsy izany hanaiky ho resy tsy miady ve?
efa safidy angamba ny anao,
fa raha tsy izany hanaiky ho resy tsy miady ve?
hery
(
17/04/2012 17:01)
Mahafiniaritra ny mamaky ilay tononkalo rehefa taona maro be aty aoriana...
Mbola tsy "zaka" foana ilay "tolona" 😜
Mbola tsy "zaka" foana ilay "tolona" 😜