Nilaozanao!! (vo.sedra )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy hoy aho misento
Misento samirery
Mampitamberina ny ventso
Milalao toa zaza very
Mahatsiaro irony lasa
Niaraha-nilalao
Ny hatanorana niarahana nikasa
Toa nofinofy sisa izao
Tsaroako eto ireo fotoana
Nisangiana,niadiana
'zao ny trano babangoana
Nilaozanao rahavavy tiana
Ireo fitaovanao tavela
An-darimoaran-tsika roa
Mampitamberina ny ela
Mandrotindrotika ny fo
Mamdatsaka ny ranamasoko
Ny sarintsika andoha fandriana
Ianao miankina eo an-tsoroko
'lay isika teny ambodiriana
Zao izaho irery sisa
No mijery anao tsy tazana
Misento sy mamisavisa
F'ianao lasana ho razana
Eee!dia lasa mantsy ianao
Lasa tsy hiverindalana
Ny faniriako raha azo atao
Mba tsidiho mahalankalana!
Vo.sedra(rova) 08/06/2015 22:50
--------
Lien:
Catégorie : embona
1800 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : vo.sedra
Inséré par : vo.sedra
Date : 27/07/2015 11:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142