RAHA HIFOHA NY AINGAM-PANAHIKO (voatsinampy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hifoha ny aingam-panahikoka hitory izay niainana
dia angamba tsy ho sahiko
ny hanambara fitarainana
ny alahelo izay nodiavina
teto an-tany fandalovana
ny hitanisa izay notiavina
sy hamongatra fahatsiarovana
Raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hibaiko izany penina
dia angamba ho avahako
izay azo tokony ho tenenina
tam'ireo hatanorako
nilomano tam-pitiavana
ny fadisoam-panantenako
fa nasetrinao fandavana
Raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hijonitra alahelo
dia tehiriziko ho ahiko
ireo tokony ho tsiambaratelo
nandritra ny andro fisandratako
teto an-tany ivahiniana
tsy zakako raha hosoratako
fa eleo ho ahy mangina
raha hifoha ny aingam-panahiko
ka hampiseho mibaribary
izay anjara mba ho ahiko
voavisavisany amin'ny sary
dia hosoratako tokoa
ka irariako ho tanteraka
hanasitra ity fo
tena valaka sy reraka
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
karako
Commentaires
karako
(
22/11/2016 16:51)
Efa nifoha izy izany 😊 Tsara e, sady tsara fanoratra ny teny Malagasy fa tsy kitoatoa!