""ENY E...!"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitabataba mafy ny eritreritro ato,
Ny ventsoventso-poko miritsiko tsy miato,
Mamolavola endrika hisaloranao;
Fa,eny e...
Toa manao ny tsy fanao!

Mirediredy loatra ny "lasako" fa tano,
Ny ambiroako ato,katry sady mamo;
Ny zana-delako ato miraiki-pitenenana,
Fa...eny e...
Tara fiverenana!

Tonga saina foana aho saingy tsy afaka mitroatra,
Alahelo lava no reko injay miloatra,
Diso fanapahana tanatin'ny havinirana,
K'izao miantsa irery aty ankodimirana;
Fa ...eny e!
ekeko ny ho sahirana!

Antsirabe,

Zavona Rakoto 16 Febroary 2026
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Aingam-panahy
70 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119