Fo hafakely (Zay LAFATRA)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO HAFAKELY

Mafy ianao ry foko,
fa ny zavatra mba tiany tsy azony avokoa
ny ratra no mba setriny noheveriny fa soa
Ny alahelony rehetra nafeniny tao anatiny
kobonony mangina ho mandram-pahafatiny.

Mafy ianao ry foko,
fa ny tebitebinao nahazo isak'alina,
nosoloinao tsikitsiky raha tonga ny maraina.
ny antoandronao nitadiavana ny olona ho tiany
no napisy ratra vao ka lasa hazo fijaliany.

Mafy ianao ry foko!
tsy mafimafy foana na hoe tsy nisy nitarainana
fa nandefitra ny foko satria teo ilay fisainana.
na ny anjarako aza norombahan'olo-kafa,
mino aho ry foko fa any andro mbola ho tafa.

Mafy ianao ry foko,
fa ny filanao rehetra nahatonga anao ho ory,
nomenao ilay Mpahary fa tsy nomenao ilay devoly.
dia mafy ianao ry foko fa tsy nilemy velively,
tsy fo vato ny ahy akory fa ilay fo hafakely.

Zay LAFATRA
15/04/2020
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Alahelo - Aingam-panahy
1097 1
Fans: Nagaoka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154