LAZAO RAHA TSY TIA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy sisa nitohetra tao an-tsaina,
iharany raha alina,mamisavisa ny maraina.
Ny dikan-dreo nofy mahaliana fanahy,
Mamahavaha ny antony fa naninona ianao no sahy?

No nanao tohizao ny fitiavako nafonja,
Niatsapy taminao,tao anatiko nanonja.
Dia inona no tsiampy,inona no lany?
Amin'izany endrikao maloka hatrany.

Nefa izaho!efa nanao izay azoko natao,
Ny hahasambatra izany fiainanao.
Nefa mbola fenoinao ireo alahelo,
Isanandro izao dia mifono tsiambaratelo.

fa maninona ianao e?lazao raha tsy tia,
ny foko sy ny saiko ange lasa miriaria.
ny mahita anao mitanondrika tsy miteny,
isanandro lava izao dia toa mangeniheny.

fa maninona ianao?ambarao aty amiko,
Aza mapijaly tena fa lasa tsy mba tantiko,
ny mahita anao milofotro mangina,
ka tsory avy hatrany raha izao ilay tsy tiana.

f'izaho kosa...!aleo aho hitony,
Hiaritra ny jaly ny ratran'ity fony.
tsofiko rano ianao raha handao ny fitiavako,
f'izaho kosa hangina,hanidy ity vavako.

18 Nov 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 12/12/2021 05:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097