NANAMBADY I RINDRA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fialatsasatra moa ny andro dia iny izaho no lasa,
hiakatra hanao "vacance" any Ambatodrazaka.
Ny tena diako matsy dia hamonjy ilay malalako,
satria tany mantsy no nivakisan'ilay fitiavako.

Tonga tany anefa aho afaka ora maromaro!
Teo amin'ny toeram-pitaterana ka nitamberina ireo tsiaro,
satria teto no nisarahanay farany,
tamin'ny heritaona tohizao,izay nandraisako ny tanany.

Tapoka teo anefa,iny zandrinao tamy!
Mivimbina kafe,mofodipaina,siramamy.
Natsoiko izy ka nijanona niandry,
noharabaiko,manahoana ela Mahandry?

Manahoana hoy izy tamim-pahatsorana!
Tonga soa ialahy na dia dilan'ny fotoana.
Fa dila manahoana e?na izany aloha misaotra.
Tena marina e!tena diso taraloatra...

Mahandry a,ao ve letsy i Rindra?
Zokin'ialahy iny anie no tena tiko indrandra.
Izaho mba oento any aminareo anio!
Tehahita azy mafy aho!miangavy mba valio?

Taraloatra hoa i sé,fa izy ange tsy eto intsony!
Nifindra lasy nakany Mapikony.
Izaho aloha mba niezaka nanambitamby azy ihany,
fa tsy tana ny anao fa efa lasany any.

Lasa letsy izy a!nandao antsika sahady.
Tsy nahandry anao intsony ka lasa nanambady.
Tsy hoe tsy tiny hono i sé fa izao ilay anjara,
ny vitanareo rehetra dia tsy ho faty fa ho tantara.

Vao omaly ange no nahavitan'ny mariagin-dreo.
Niely hatraiza hatraiza fa pivady ry zareo.
Mahereza letsy valy fa izay ny anjaranao sahady.
Fa lasa bavy e!lasa nanambady.

Fety izay ka fety!fety tena mangotraka!
Nilamina ery tsy nahitana korontana!
Fa izaho kosa nitomany hoanao fa tsy nifety velively.
Any matsy i valy,any ilay poetakely,
tsotra mahafinaritra manam-po malemy.

Teo aho no nahalalako fa diso fanatenana.
Izany ve no lahatra sa anjaram-pitsapana?
Tsy napoizoko ianao no nahavita tohizao!
Nandao!eee!lasa nanambady izato ianao.

Saika hadinoko letsy Lefitra!
Misy taratasy napetrany ao anefitra,
homena anao hoe rehetra tonga aty aminay.
Dia miampy sary sy firavaka iray.

Dia lasa izaho sy Mahandry nakany an-trano!
Nivimbina ny en-takeliko sy voandalana mahamamo.
303 matsy no tena tiany Mahandry amin'ny fialantsasatra tohizao!
Tsara alo le izy e!"Boite postal" ny ambalavao.
Tonga izahay!malahelo mafy aho mahita ilay akany sy ilay zaridaina,
tsisy pikarakara intsony fa nilaozanao ry sombinaina.

Mandroso letsy Lefitra fa aza mihafahafa!
Tranon'isé ity fa tsy tranon'olokafa!
Etsy ny en-tanao hataoko any anefitra,
dia haka an'izay tatarasy napetrany ho anao izay aho ry Lefitra.

Eny hoy aho taminy feo iva kely.

Nidoboka be ny foko ka vaka hatramin'ny saiko,
mba inona retsy ny hafatrao ry sombinaiko.
Soratra inona ny ao anatiny,dia hafatra inona?
Aleo andrasako eto tsy maninona.

Ity letsy valy!ity ilay taratasy!
Aza maloka hotran'io moa e!fa mazotoa enao mamaky.
Fa izaho aloha hanatitra ireto siramamy,kafe,mofodipaina!
Saho bedin'i Dada sy Neny fa mbola hatao sakafo maraina.

Eny hoa aho taminy,mandeha fa saho bedy.
Miandry anialahy eto foana ry zaza hendry.
dia akatony ny varavarana rehefa lasa ialahy makany,
fa izaho kosa hamaky ity taratasiko izany.Misaotra

Noraisoko ilay tatarasy fotsy,
ary misy soratra vaventy eo manao hoe:"HO ANAO RY LEFITRA MALALA"
Teo aho nisento ka nitomany izaho ry lala.

Kotsakotsan'ny tomany,mamomamo-nalahelo!
Mafaitra izany ka mangidy,ratra-po mieloelo!
Tsy fidiny amiko ny mitomany,mety ho hiafara ratra-po hono ianao?
Anefa tsy haniko amin'izao fa nanambady hono ianao!

Nitomany aho!ka tohizao ny vakin'ilay hafatra:

"nanambady aho ry Lefitra,
Sanatria tsy nahandry,
Fa noho i Dada sy i Neny,
Dia tsy maintsy nanambady.

Ka tso-drano no atolotro anao,
Mahita izay anjara,
Fa ny amiko sy aminao,
Tsy maty fa tantara.

ity sary sy firavaka atolotro ho anao,
dia ho tsiaron'ireo lasatsika,
raiso am-pitsikiana fa natokako ho anao,
fikiro mafy rehefa tojo ilay hatsiaka.
ary dory rehefa sambatra ianao.

Dia veloma mandrapihaona,
Ary pero ny eritreritra,
tsy ho any amiko intsony,
veloma ianao ry Lefitra.

Rindra malalanao."
......

03 juillet 2017
--------
Rohy:
671 2
Hevitra mandeha
Jean Fidele ( 16/12/2021 09:53)
MAFY NAREO E,TOHIZO FA TSARA
Nagaoka ( 29/12/2021 10:09)
Aiza kosa eeee,hihihi!makasitra indrindra Jean Fidele....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 12/12/2021 06:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102