TSY AMBARAKO (Zay LAFATRA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ambarako aminao intsony,ilay fitia ato anatiko,
na pahana ny fony,
hihaino ireo tsy tantiko.
tsy haborako aminao,
ilay tsiky niatsampy,
nasetriko ho anao,
fa mimontitra dia ampy
tsy hitiavanao ahy.
tsy ho tantaraiko koa,
ny gando-kira akafiziko,
na kanto io na ho soa,
na valiha no fitendriko
mampionona ny foko,
tsy ambarako dia ampy.
Na ny tranokalako vaovao,
Andrariako ny asa soratro,
tsy hambarako anao,
Koboniko ka fatorako,
Amin'izay tsy ho fantatrao.
Zay lafatra
--------
Lien: