TSINGERINTAONANY. (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINGERINTAONANY.

1.Roapolo efatra amby lasa izay tany Ankaratra
Raha mbola niezaka nitady aho, nanao izay ho afako.
No indro tonga teto antany, ny hazavana iray tomaratra.
Hasoanava no anarany, nampiova ny tantarako.

2.Nisy nanotany ahy, hoe fa avy aiza ilay anarana.
Samy gaga tamin’io ny tany antrano sy ampiasana.
Tsy nanazava firy aho, fa tsy mitovy izay nianarana.
Io niniako napetraka, hanatontosa fikasana.

3.Ho tinahianJanahary, sy ho henika hasoavana.
Ilay voalohany tamin’ny fiainako nahalasa ray ahy.
Ny ho aviny hamiratra, ho anjakan’ny maintso mavana.
Izay no hany faniriako, nameno fo sy ny fanahy.

4.Nanontany ahy ny olona: aiza ny anaranao?
Tsy nampitodraina azy, tahaky ny mahazatra?
Izay mihitsy anefa no antony, mba ho fianambaovao.
No hisoratra amin’ny azy, mba hihoatra fa tsy afatra.

5.Dia nandeha teny ny fotoana, nizotra marindrano.
Nitondra hery ho ahy, ny fitsikiny miavaka.
Rehefa valaky ny asa aho ka mby tonga ao antrano.
Ny fahitako azy fotsiny, efa zary valimbavaka.

6.Mandraka androany, mbola fanilo izy ho ahy.
Ny fisiany dia ampy hampatsiahy izay nodiaviko.
Ilay voalohany hatrany, ahatsapako fa Tinahy.
Sy tanteraka tokoa… ilay faniriana notiaviko.


HO AZY…
ZOKY H.
--------
Rohy:
52 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111