Ampidiro aloha ny tenimiafina
FENO ANAO NY NOFIKO (Aina Nirina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FENO ANAO NY NOFIKO …Dia nifanerasera teny ho eny isika,
Nifanojo hatrany, dia niara-nisariaka…
Dia nifankahalala sy nifananihany…
Ilay fifanojoana toa nitombo hatrany…
Injany fa tsy tantiko misisika tsy tana :
Manemitra ny fiainako tsy azoko ialana,
Toa rivotra iainako ilay tsikitsiky kely
Amin’ny laingo-tavanao toa tsikin’ny anjely…
Miverina eo imasoko, miraikitra ao an-tsaiko,
‘Lay tsiky iray mandravaka ny endrikao ry aiko…
Ampianao ny vetso mitondra rotsirotsy :
Dia entiko matory hatrany anaty nofy…
Manjary ianao foana no ao an’eritreritro,
Satriko ho anao ny fanehoan-kevitro…
Ny aingan’ny fanahiko manjary lasanao…
Ny fiainako mihitsy no tiako ho vaovao…
Feno anao ny nofiko na andro na koa alina…
Ka tsoriko aminao fa ‘zao ny tena marina :
« Babonao ny foko, raikitra fitia,
Ka ‘ndao hiara-dia, hiara-hifangia… »
AINA NIRINA
(31 jolay 2014 tamin’ny 21 :30)
(Boky Sombin’i Aina 1 pejy faha-34 sy 35)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana